Ambarako ofisialy anio fa kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny distrikan'i Morafenobe ny tenako VONINAHITSY Mario Amoy Eugène. Hisolo tena ny vahoaka eto Morafenobe eo anivon'ny antenimierampirenena amin'ny fepotoam-piasana manaraka eo.

 

Maneho ny fahavononako ao anatin'izany ny fahavitan'ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin'ny filatsahan-kofidiana izay efa tafapetraka eo anivon'ny OVEC Morafenobe.

 

Loko maitso no hisalorako mandritra ity fifidianana ity izay midika hoe "Fanantenana", manana Fanantenana aho satria fantatro fa tsy hamela ahy irery ny vahoakan'i Morafenobe.

 

Vonona isika amin'izay hatrehana rehetra, daty sisa no andrasana.

Tanjona Morafenobe Mivoatsy.